Boky Faharoan'i Samoela

Toko faha-7

4 Ny alin'izay ihany, dia tonga tamin'i Natàna ny tenin'ny Tompo nanao hoe:

5 Mandehana, lazao amin'ny mpanompoko, amin'i Davida, hoe: Izao no lazain'ny Tompo: Hianao ve no hanao trano hitoerako? 12 Rahefa tapitra ny andronao, ka mandry amin'ny razanao hianao, dia hatsangako ny taranakao manaraka anao, izay haloaky ny kibonao, ary hamafisiko ny fanjakany. 13 Izay no hanorina trano ho an'ny anarako, ary hohamafisiko ho mandrakizay ny seza fiandrianan'ny fanjakany. 14 Ho toy ny ray ho azy aho, ary izy dia ho toy ny zanaka ho ahy. Raha manao ratsy izy, dia hofaiziko amin'ny tsora-kazon'olombelona, sy ny kapoky ny zanak'olombelona. 16 Fa ho azo antoka ny faharetan'ny tranonao, sy ny fanjakanao eo anatrehanao mandrakizay ary hiorina mandrakizay ny seza fiandriananao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.117